PATSA IRAY TSY HOMBY VAVA...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PATSA IRAY TSY HOMBY VAVA...!
Neniko indray ny nilaza fa tia,
ianao aza ity tsy mahafantatra ahy.
Lalina anefa ny ivom-pitia,
ka natokana ho an'ny manam-panahy!

Zary vesatra manko, ny mahita anao,
manaitra ny anatiko nefa tsy ahy.
Tsy mihaino ny foko, minia mitalaho,
sa izay 'lay mitia, dia hoe: "Ahy ny ahy!"

Ianao amin'izany, miondana ihany,
fa saingy tsy an-tratrako, fa eny an-kafa.
Tsy rariny ve, ny foko hitomany,
raha rava sahady, ny vita kinasa?

Tamin'ireny ianao, nilaza fa tia,
nandalo ihany, mba tsy handràtrana ahy?
Nefa raha hoe: “Nolavinao izy iny, dia ho sanatria,
ny foko sy izaho, no very fanahy!”

Fa mora kokoa, ny namafa ireny,
satria vao nafafy, tsy fanta-pitsiry.
Nahoana ianao, no tsy mba niteny,
sa matahotra hoe: “Homeko tsiny?”

Sanatriaviko izany ry tiana,
tiako ianao, ka tsy horàtraiko.
Naninona anefa, no tsy izaho no nofidiana?
Izao izy izao, miantraika amin'ny aiko!

Sendra nitia aho, nolavina sahady,
izay ve no tinendry, vintan'ny foko?
Sa izaho mihitsy, no resy an'ady,
ka potika hatramin'ny faran-joko?

Patsa iray tsy homby vava iny, ka tena tsy teliko,
nandràtra ny atiko, iray manontolo.
Ny nitia anao, ekeko fa neniko,
fa izany aloha tsy andaozako izato tontolo!

Nangidy fotsiny, fa zakaiko ny ahy,
tiavo tsara izy, raha izy no tiana.
Mitso-drano anao aho, fa aza manahy,
fa ny finamanantsika, aza ariana!

Patsa iray tsy homby vava, saingy safidiko,
maràtra aloha aho, fa mbola hitony.
Ny ampitso tsy haiko, raha mbola ho tadidiko,
tsarovy amin'izany, f'izaho tsy any intsony!
RRAG
24 Mey 2017
--------
Lien:
406 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0277