PEJY MAINTY…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PEJY MAINTY…!
Tsy hanoritra ny tsy haiko aho ka handrava irony lamina,
fa miezaka kosa aho mametraka arofanina,
fetra tsy hodinganina hamaritam-bina.
Hatsapanao tiako hoe: “Ianao no hany tiana,
tsy maty ato am-poko foiny ianao tinazako”.
Tokana ianao, ‘lay tiako izay notoaviko!

Saingy mamy kely sendra tsapan-dela ‘ty fandalovanao,
ka zary nofy tamiko ny hoe ianao handao.
Maizina ny tany zavonan-draho-mainty,
ilay safidiko iny no zary hoe tsy maintsy,
ka aza omena tsiny raha latsa-dranomaso,
fa amiko izao, no endrika ankaso!

Satria tokoa ry tiako indray nipimaso dia rodana ny fototra,
indrisy ranomaso niary kaiki-molotra,
nenti-nampitony ny ràtram-po tanaty,
nondesin’ny fitiavana ‘zay efa matimaty.
Dia ‘njay nisaona indray ny foko efa resy,
fa sendran’ny mpiankaso fetsy noho ny fetsy!

Pejy mainty atokako hamaritanan’ny lalako ny fisianao,
ka aza tsiny akory raha toa aho tsy hitalaho.
Tsy hitalaho intsony ny hiverenanao hitsabo ny atim-poko,
fa lasa nofinofy tsy nanohana ahy ‘lay teny hoe tsy foiko!
Veloma mandrakizay ry ilay tsy tia,
any ankoatra indray raha mbola hiara-dia!
RRAG
22 Septambra 2019
--------
Lien:
382 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219