RAFIM-PANAHY…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAFIM-PANAHY…!
Asa malala raha sahiko lazaina, fa niangarako izy raha nihoatra anao?
Ianao manko tiana dia izy lalaina, izy anefa tsy mba mpitalaho.
Izy ary no hika manosika ahy, hitroatra avy hatrany raha sendran’ny ràtra,
famatotra ihany fa tsy sila-panahy, ilay miara-mizaka ny ady mahazatra.

Malala tsy laviko ny fifamatorana, misy aminay hatramin’ny ela,
izy ilay fahatezerana sady fahatsorana, manarina ahy raha sendra mianjera.
Avy aminy ry tiako ireo teny tsy haiko, miendrika angola ‘zay nambabo anao,
izy ihany koa no mampitony ny saiko, raha sendra ka niady izaho sy ianao.

Tiako ianao fa izy lalaiko, ilay fanafodin’ny fery amin’ny aiko,
izy efa teo saingy ianao koa ilaiko, mifamatotra ianareo ry ilay sombin’ny aiko!
Toa samy tsy foiko, mifaningotra mafy amin’ny atin’ny foko,
samy tsisy hosoloiko, aina sy fanahy mamelona ahy ka tsy tiako hisy hafoiko.

Aza manahy hoe mpirafy ianareo, fa tokana ihany anatin’ny foko,
rafim-panahy hoy izy ireo, nefa amiko dia toko,
toko tokoa ka mifameno, mifamelombelona ary tsy mifamono,
tena samy tiako fa aza malahelo, hoe hisy ankiray mety ho hadino.

Izy aingam-panahy ianao kosa silany, tsy rafy izy izany fa famenoko ihany,
ianao ilako izaho kosa ilany, iray ihany isika raha toa ka izany!
Tsy rafim-panahy izy fa hika ihany, ianao sila-panahiko aza manahy izany,
fa tsisy hasoloko anao raha eto an-tany, fa izy tsy iza fa mpamafa tomany!
RRAG
01 Aogositra 2018
--------
Lien:
776 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221