RAHA HOTANISAIKO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HOTANISAIKO…
Raha hotanisaiko, ny alin’ny alahady,
nilatsahan-drà, tao Moramanga,
dia ranomason’aina, ranomason-drà,
no hany azo alatsaka, raha tiana hisy lanja.
Ny sorona nataon’ireo mahery fo,
namoizany aina, tao anaty ady.
Tao anaty tolona, tsy nahitany soa,
fa nanariany aina, ho an’ny tombontsoa,
an’ireo zana-bazaha, mpamadi-pirenena,
sy ‘reo olom-bitsy, saingy tia tena.

Raha hotanisaiko, ny orakora-bahoaka,
tamin’iny alina iny, dia hitroatra ny alahelo,
ka maro ny hiteny, handao koa hapoaka,
ny adim-po vaovao, nefa mba saino kely.
Hoe: “Ho firifiry indray, ny aina ho hafoy,
vao hiato izato ady, hirin’ny fo hatomboka”?
Sa mety hiandrasana, aina maro hafoy,
satria tokoa hoe: “Fitiavan-tanindrazana”?
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
301 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257