RAHA IZAHO IANAO…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA IZAHO IANAO…!
Ry fireneko mamiko, tiako sy lalaiko.
Tokana ny taniko, fa ny hafa dia tsy haiko.
Toa mangina hoy aho e! Ity ianao ry tany.
Nefa anie izao, ny zanakao dia mitomany.

Raha izaho ianao, dia ampanginina izy.
Tsy izany mantsy anie, fa izy tena kivy,
leo ny ady lava, iainany aminao.
Raha sitrakao, ny fiainany ovao!

Omeo ny tsaratsara, mendrika ny taniny.
Omeo anjara tsara, mamafa ny tomaniny.
Omeo safidy koa, entiny mitroatra,
handreseny ny hafa, mitady hanararaotra.

Ry fireneko mamiko, toaviko ianao.
Ianao no anjara taniko, tsisy toa anao!
RRAG
11 Desambra 2012
--------
Lien:
331 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022