RAHA MAINA NY FAKA…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MAINA NY FAKA…!
Indraindray ianao, ry sila-masoandro mpitaratra ahy,
mandefa miampita, feo miritsoka mora, ny sila-panahy.
Hafatra sa anatra, ireny teninao ry Neny?
Fa voafingana aho dia, toa injany mahatsiaro, ny hevitr’ireny!

Raha maina hoy ianao, ny faka mihazona ny voary hijoro,
mihintsana mora, mandrakotra tany, ireo felam-bony.
Dia foana hatreo, ringana koa, ‘zay mety ho fanantenana.
Fa hanjaka tanteraka, tsy hisy hahasakana, itony hafanana!

Hafanana mpandrava, mpanimba ny voly, izay nisasarana.
Mifofo amin’izany, ny rivo-mpandalo, ka tsy azo handaharana.
Ka raha maina ny faka, ‘zay hany mpitàna, moa tsy hiongotra jiaby,
hatrany amin’ny fotony, eny, fa na dia ny aviavy?
RRAG
05 Septambra 2014
--------
Lien:
260 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312