RAHA… NOFINOFY! (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA… NOFINOFY! (SAFIDY: 2012)
Raha ny fo no avela hiteny, dia tapenana ny vava,
ka ireny lasa ireny, sisa tsiahy ny efa rava.
Saingy mbola azo atao, ny mampitsiry azy ireny,
dia hovoleko izaho sy ianao, hatramin’ireo teny,
toky maro vita, tanaty nofinofy!

Raha ny tsiny no tsy misy, dia ny lanitra no tany,
nefa saingy ao indrisy, no mety hitoetra ny tomany.
Na ho safidy ny lahatra, ka tsy hisy izany tendry!
Ary ny anjara tsy handravaka, fa hanimba izay mba kely,
narafi-po mifankatia, miaina anaty nofinofy!

Raha ny tody no hazera, dia tsy ho zakan’ny aina akory!
Dia eo ny fanerena, hahatonga fo iray ho ory,
sasa-miandry manantena, nofinofim-po sahirana!
Ka ho maizina eo ny andro, fa tsy hahita mba mangirana,
ny fo mitoetra, milasy anaty nofinofy!
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Lien:
384 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236