RAHA RAOZY TOA ANAO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA RAOZY TOA ANAO...!
Maro ireo voary, miavaka sy tokana,
fa ny foko kosa, mitepo anao manokana.
Mihanoka fitia, hafa koa raha hafa!
Hafa ianao raha raozy, ny tsilonao aza, toa tsy mandràtra.

Izato fela-manitra, mieza-mandroboka.
Ny voninao tavela, hita midoroboka.
Mitàna ny hatsarana, miavaka sy tokana.
Ny foko raha mitepo, dia ho anao manokana!

Satria ianao ry raozy, mahay maneho fitia.
Manome ny tsara, tsy hahasampon-dia.
Manolotra hatrany singa, miendrik'aina mifamatotra.
Ny fitia avy aminao, tsy sangy fa efa matotra!

Ka raha raozy toa anao, adala izay tsy tia.
Vao mahita mihitsy angamba, dia raiki-pitia.
Fa ny ao am-po mitoetra, fahatsorana ohatr'izany.
Sambatra ry raozy, izay sendra anao, anjaranao an-tany!
RRAG
29 Aprily 2012
--------
Rohy:
395 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0654