RAHA TATAMO IANAO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TATAMO IANAO…
Mafy loatra ny sedram-piainana, lalovan’i Tatamo.
Ny azy vahona no iainana, hetaheta ambony rano.

Maro loatra ny ranomaso, izay narotsak’i Tatamo.
Isan’andro isan’andro, tsy maintsy miaina izay ho angano.

Mitsingevana ny fiainany, ranomaso lava no iainany.
Ny tafiotra mamingana, ny onja ny azy mampianjera.
Isan’andro izay no fiainany, ary mbola tsy maintsy iainany.
Tsy misy faka hifihinana, fa ny azy ny andro miandry lera.

Ny Tatamo lavitra afo, saingy may toa lavenona.
Ny fony ny azy miankaso, ny maso ety efa badenina.
Ny fonja ny azy tsy mirindrina, toa fahafahana no hita.
Ary maro no mahita, fa ny fiainany hoe dia paradisa!

Nefa indrisy! Rojo vy mamatotr’aina,
no mamatotra, mihazona ny tenany.
Afo-be miredareda, tena mamay,
no hany lapa fiambenany.

Raha Tatamo ianao, dia tsarovy an-tsainao ao.
Fa ‘zay sedra entinao, ka hanarianao ny an-tanana,
dia honeram-po vaovao,
satria ianao Tatamo namana.
Mila tosika sy tantana, mila olon-tena namana,
hanova fiainana, ka hinday ny fiadanana.

Raha Tatamo ianao, dia aza kivy amin’ny tolona,
fa maro koa ireo olona,
izay Tatamo toa anao,
ka tafita amin’izao.
Mahereza anefa aloha, matokisa tena koa,
fa ‘zay ady vitanao, dia fandresena entim-po.
Raha Tatamo ianao!
RRAG
26 Desambra 2012
--------
Lien:
377 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0247