RENIKO FOANA INY…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RENIKO FOANA INY…!
Tsy fidiny ho azy no nitrongo vao homana.
Ny hohaniny anio rahampitso vao ho hita.
Tsy safidiny koa ny ho tafitohana.
Nefa atao ahoana fa izay aloha no vita?

I Dada mba aiza, fa toa izy irery,
no nanabe anay, hatramin’izao?
Toa tsy hitako akory ny mijerijery.
I Neny hoy ny olona no nahatonga izao!

Tsy raharahaiko izay resakao,
fa Reniko iny ary tsy hisy hahasolo.
Lazao daholo izay tianao.
Tia ahy i Dada ka tsy mba nikolo?

Reniko foana iny ninoninona haratsiany.
Tsy hisy hatakaloko azy akory.
Ny hahatafita ahy no tena iriny.
Izy ary ny alina hila tsy hahita tory.

Tiaviko ny ahy fa tokako iny.
Tsisy takalony tsy hananako firy.
Raha i Dada nandao, moa hahasolo an’iny?
Reniko iny ka aza tsiny, aza asiana teny firy.
RRAG
11 Desambra 2012
--------
Lien:
285 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228