RENIKO INY…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RENIKO INY…!
Ilay nilanja entan-tsy zaka,
Reniko iny!
Ilay nandaingako nefa tsy nandaka,
Reniko iny!

Tsy foiko fa tokana tsy hananako maro,
Reniko iny!
Reny tena tiako ka tsy afak’atakalo,
raha izy iny!

Narary izy iny niteraka ahy,
ka iny no Reniko!
Nanabe ara-batana sy ara-panahy,
tena tsy afeniko!

Reniko iny tia ahy tokoa.
Reny mpitsinjo izay hahasoa.
Reny mpibanjina ny hoavin-janany.
Reniko iny, izaho no taranany!
RRAG
11 Desambra 2012
--------
Lien:
321 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234