RY FAKAN’NY FO… (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FAKAN’NY FO…Tiako ianao,
ka ho averimberiko!
Tiako ianao,
ka tsy mba ho afeniko.
Tsy maintsy ambarako,
amin-teniko,
mba tsy ho ampitso,
vao ho neniko.
Fa tiako ianao,
eny tiako tsotra izao.
Ry fakan’ny foko:
“Ho anao ‘ty toloko,
mandrakotra ny tenako”.
Fihino mafy, izaho sy ny henatro,
mba hahasahiako hitia,
hitia anao doria!
Tiako ianao,
fa tsy holaviko.
Ianao no hany,
hany hoaviko,
hantenaiko
hatramin’izao.
Tiako ianao!
Diso tiako ianao!
Ny banganao fenoiko!
‘Zay lavako totofanao.
Ry fakan’ny foko,
tia ahy koa ianao o?
RRAG
Janoary 2012
--------
Lien: