RY FASAKO...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FASAKO...!
Na inona ho ataoko, na aiza no alehako,
tsy maintsy any aminao, ny akany hilevenako?
Ka 'zay safidiko, izay rehetra ataoko,
dia tsy maintsy hiafara, amin'ny fialàn'ny fofon'aiko.

Ry fasana akaniko, tsy laviko 'zay vita,
fa tsy hiteny kosa aho, 'zay zavatra tsy hita.
Satria tokoa mantsy, ianao no fara-fetran’
ny lalana alehan'ny velona rehetra!
RRAG
17 Oktôbra 2015
--------
Lien:
297 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328