RY FIRENEKO…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FIRENEKO…!
Ny fahafahanao mazàna, zary resaka matetika,
habobon’olom-panjakana, no mahatonga anao hilentika.
Ny kabary zary fomba, toa tsy nahasoa anao akory,
nodorana aza izato Rova, fony ianao ‘lay resi-tory!
Dia nangingina teny ho eny, tsy hita ihany izay hoe marina.
Irony Gasy sahy niteny, avy hatrany dia namboarina.
Novitaina toy ny omby, saingy izy tsy hita faty,
mbola hoavy raha ny tody, ilay vesa-tsy ho tanty.
Ilay valin’ny natao, antsoantson-dRazanay,
dia zakao eo ny anao, fa efa vita raha ny anay!

Ry fireneko mifohaza, fa efa ela loatra izay,
ireto fahavalonao aza, toa tena tsy mba mety fay.
Miziriziry an-kafetsena, manambaka ny madinika.
Miseho manam-pahendrena, nefa, manao anay toy ny vitsika!
Mangalatra ny harenanao, manimba koa izay tsy simba.
Mamotika ny hasinao, ilay navelan’ny Vazimba!
Miarena re ianao, ry fireneko mamy indrindra,
leo ‘zahay ny mitalaho, noho ‘ty fiainan-tsy mirindra.
Vokatry ny fitiavan-tena, ao amin’ireo mpitondra ambony.
Ampy izay ry firenena, avy hatrany tonga dia dony!

Mifohaza, mitsangana, ry fireneko Reny mamy.
Izahay no fanjakana, ianao no tompon-tany!
Ka andao isika hiara-hientana, handrava ireo misiasia,
na havesatra aza ny entana, ny handao anao dia sanatria!
RRAG
Mey 2013
--------
Lien:
292 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219