SAMY VITA…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMY VITA…!
Raha madiva hilentika iny iry masoandro ka ‘ndeha hody,
kanefa ny fo mbola re fa dia malaina!
Dia aiza ho aiza izany, no mety hahita fanafody?
Moa ve mbola hoentin’ny ampitso maraina?

Raha misy any ho any fitia, noterena hofaranana.
Ràtram-po anefa no vokatr’izany!
Dia mbola hisy hilaza ve, fa ny fandaharana,
nataon’ny lanitra no nitondra ity tomany?

Raha hisy fisaonana, hinia hitsiry an’alahelo,
fo manakory no tsy ho resin’ny sento?
Sa kosa ve hoe: “Milefitra ny vero”,
dia amin’ny ràtran’ny sasany no hifaliam-betso?

Angamba dia ozona no hianjera, hiraradraraka amin’ny tany.
Todim-piainana tsy hananana fanefitra!
Ho lena ny tava noho ny hika sy tomany.
Fa ny lanitra mihitsy no tsy hanaiky ny hilefitra!

Fiaina-mandalo, tetezan-kazo boboka, no lalaovana eto!
Ka samia mandinidinika ny efa efa sy natao.
Fa rehefa ho tonga ‘lay hika hoe: “Hatreto!”
Dia izay samy vita, ny ahy sy ny anao!
RRAG
23 Oktôbra 2017
--------
Lien:
361 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223