SANATRIA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANATRIA…
Fihomezako indraindray, ny mahatsapa anao ilavitra,
ny akanin’ny fitiavako, raha sendra andro alina iny.
Saingy indray andro izay, ny fandrinako nihovitra,
dia nanosika ahy ny nofiko, hampody ny fahiny.

Dia ‘ndreo fa mitamberina, toy ny tranga vao miandoha,
efa fanta-pahataperana, fa tsy maintsy handràtra fo.
Saingy hinian’ny tena ihany, holalovana ny onjany,
nefa ho hirifiry koa, ny mety mbola ho lanjan-jogany.

Ny fo anefa tsy hanan-tanana, hanakanana herim-batana.
Izy koa mba mila namana, tsy mitady fisandratana,
toy ny saina miria, mieboebo fa mahavita!
Raha azo atao ny mamafa, irony lasa, aleo koa mba ho ritra.

Fihomezako indraindray, ny mahatsapa anao nisintaka,
ny fitiavanao mihitsy, no fanta-poko feno fitaka.
Feno haitraitra ihany, tsy mahalala tena tia,
ny ho azonao fanindroany, dia tsy hisy sanatria!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
289 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0246