SARONAN-TAVA FOTSINY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARONAN-TAVA FOTSINY…
Naka anao ho namana,
dia avy nitsikafona ireo lasanao.
Nanambitamby ho havana,
dia nanasoketa ny tsara vitanao.

Nanenjika mafy ery,
tsy nitambo fahasasarana.
Nilaza ny ho tena tia,
hay moa ka namana, tsy afa-nifaharana!

Saronan-tava fotsiny,
irony fahatsorana nenti-namaboana!
Fa hay ‘ty rotsirotsiny,
ka fintana ihany nenti-nanjonoana.

Moa tsy ianao no daika,
vendrana sy dondrona?
Izay toky, teny iraika,
dia hitokisan’olona!

Saingy tsy nisy soratra,
voarakitra tan-kandriny.
Tsy nisy nahafantatra,
izay tena tanjony!

Saronan-tava avy,
irony ilay tinazana,
anivom-bavahady,
ka hatreny am-baravarana!
RRAG
Desambra 2000
--------
Lien:
297 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022