SEGAONDRA IRAY MONJA…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SEGAONDRA IRAY MONJA…!
Maso mba nitopy, nibanjina tsy nahy, ny sori-tavanao,
no resin’ny jinery, babon’ny hakanto, teny an’endrikao,
segaondra iray monja, dia toa efa lavo, potika aminao.

Tinaratra ‘lay tsiky, manoritra hafaliana, tsy hita hofaritana,
‘njay! Izato endrik’olon-tiana, toa mampangitakitaka,
mampitroatra mafy, ny fo ‘lay te hiloaka, izato anjara vintana.

Segaondra iray monja, no hany nahatazanana, ‘ty masonao nitopy,
dia efa resinao, tsy nila teny akory, tsy nila rotsirotsy,
‘ty fo izay tena babo, raraka aminao, ka maniry anao hitosy.

Segaondra iray monja, dia efa dify ianao, tsy taza-maso intsony,
ay! Marary ny aty foko, marary mafy, toa tsy mety tony,
ny fitiavako efa taitra, ny foko lavonao, toa efa tsy hatory.

Segaondra iray monja, tsy takatra isaina, anaty ora maro,
dia efa nisy sento, efa nisy vetso, nifangaroharo.
Segaondra iray monja, no nitsiry ny ainga, nivadika ho kalo!
RRAG
30 Mey 2018
--------
Lien:
820 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0269