SOA FA TSY AN’NY FASANA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOA FA TSY AN’NY FASANA…
Soa fa tsy an’ny fasana,
ry ‘lay tiako indrindra,
ny fitiavantsika.
Soa fa tsy mba lasana,
lasana nifindra,
na koa nangatsiaka.

Soa fa voatahiry,
toa tsara tsiry,
na dia tsy nahazo tondraka.
Tsy nisy rano atondraka,
ilay fitiavantsika,
‘zay ‘zao vao tafita.

Naharesy sedra,
nahalavo ny ‘ngeza,
tanaty tolon’adiny,
‘zay vao nahita maminy,
nentin’ny tomaniny,
noho ny fato-tadiny.

Soa fa tsy an’ny fasana,
ilay andro niandrasana,
fa tonga anio ihany,
tonga hamafa ny tomany,
mitoetra eo an’endrika,
noho ny onja saika handrendrika.
RRAG
Jolay 2012
--------
Lien:
512 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251