TENDRY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENDRY…
Vao nifanjoy ny masontsika,
ny bikanao no hany tazako!
Ny tsikinao no indro hita,
tendry angamba fa tsy lalako!

Vao tsinjoko ny endrikao,
dia nitsiry ny fitiavako.
Toy ‘lay zana-draozy vao,
hafoiko ho anao re rahavako.

Vao nifankahita izaho sy ianao,
dia efa tsapako ny anjarako.
Fa ianao dia ianao,
no tinendrin’ny tantarako.
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Lien:
321 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229