TSAKOTAM-PARY...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAKOTAM-PARY...!
Niserana nandalo, toy ny rivotra nifofo,
tsy hita atao ahoana, sendra fitia miofo,
fitia lany mamy, maina ka nihintsana.
Mbola tsy lasa lavitra, dia efa injay voafingana!

Nazeran-tsotasota, nalavon'ny mpiankaso,
noràtrain'ny tiana, ka sendra izay natsatso.
Novadian-toky, nesoina fa hoe bado.
Fo iray tena tia, nefa niniana nalavo!

Zary tsakotam-pary, nailika fa lany.
Tsisy mamy intsony, dia natsipy tamin'ny tany.
Nailiny e! Lany fỳ ka efa natsatso.
Ankehitriny toa, efa nasolo ranomaso!
RRAG
11 Nôvambra 2017
--------
Lien:
262 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224