TSISY NA DIA SARY IRAY AZA! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSISY NA DIA SARY IRAY AZA!
Toa maloka tampoka, ny tany aman-danitra.
Mitomany ny voary, misaona ny fony.
Mahatsapa ny tena, fa tena mahantra.
I Neny no lavo, ka ny fo ve ho tony?

Maizina ny andro, mitrena ny varatra.
Lavo ny andry, izay natao ho fitaratra,
resin’ny fiainana, nofinganin’ny tendry.
Ny lahatra sy anjara koa, tery toa nikendry!

Niezaka nisintona, azy ny safidy,
fa izay aloha hono, ny azy ny adidy.
Mora no vitany, fa ny an’ny hafa no sisa.
Iza anefa moa, no hiraharaha antsika?

Izany teo ihany, mety azo niaretana,
fa ‘ty sarinao tsisy, na dia tahiry iray.
Ka inona izany, no azo andraketana,
tsiaro ho anao, mandrakizay.

Miangatra loatra, izany Ravintana.
Tsy mba nitsinjo, ny hiafaranay.
Ny hany tahiry, dia ilay kintana,
natoron’i Neny, fa mpitsilo anay!
RRAG
14 Desambra 2012
--------
Lien:
275 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221