TSY NAMPOIZINA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ilay fitenenana hoe: “Arahabao ny mpandalo, fa tsy fantatra izay ho fara rafozana”. Dia somary asiako tohiny hoe: “Mba valivalio ihany ny arahaba-mpandalo fa tsy hay izay mety ho vinanto”.

TSY NAMPOIZINA…
Ay ve ianareo ka, olo-mifankahalala,
natositosi-drivotra, mba hifampizara?
Hifanakalo angamba e! Arahaba voka-po,
nefa tamin’ireny, nahatsapa samy voa.

Dia tsy nifampiteny, na arahabakely,
izay tsy novidiana lafo, fa vitan-teniteny,
na kopakopa-tanana, toa tsy handrerahan-tena.
Samy toa tsy nisy, mba hoe nanaja-tena!

Ny ankilany nangarika, niavona tsy satry,
ny tsiky haingon-tava aza, natao tarehy ratsy,
toa nifaneso an-tsaina, nifanozona no tsy hay!
Izao ianareo mpiahotra, ny volon-tratra may.

Tsy nampoizina akory, fa ho hatamba-po mitia,
aiza ilay fahiny hoe: “Ny hiarahaban’iny, sanatria”?
Ka nifampilonjilonjy teny, tsy nifampijery akory.
Tsy nampoizinareo, ny vokatr’ireny sorisory!
RRAG
27 Febroary 2018
--------
Lien:
385 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0254