‘TY LOZANTSIKA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘TY LOZANTSIKA…
Tsy azo omena tsiny, ny lahatra sy tendry.
Tsy azontsika esoina, ny anjaran’ity tany,
fa fahadisoantsika, ‘zay Ray sy Reny,
ny nanakana fitia, safidin’ny ankizy.

Izao fahafatesana, no vokatra hadalana,
noho ‘reo sakantsakana, sy ‘reo fandraràna.
Izao vovo-tany, tsy hisy hamikirana,
ny fitiavan-tena, no indro nanahirana.

‘Ty lozantsika, toa nanala aina,
tsy nisy fandinihana, fa nanao be saina.
Niseho nanan-danja, kinanjo tody no azo!
Efa toa nahavita, vao mody indray nalazo.

‘Ty lozantsika, fa dia ny sombin’ny aina,
ilay mba hany tokana, hany ho hantenaina,
no dia nazera an-davaka, lavaky ny fasana.
Ka ny olon-tiany, no nolazaina ho zana-baratra!

‘Ty lozantsika, nanota tamin’ny lanitra,
naneso ny hasina, hananan’Andriamanitra,
noho ny fitiavan-tena, diso nibahan-toerana.
Ka ny fitiavan-janaka, no any toa noferana!

‘Ty lozantsika eh! Heloka amin’ny tany,
enti-maty mihitsy, ny ràtra sy tomany,
‘zay sisa fanenenana, tsy mety lavon-taona.
Tsindrona nilona, tanaty fo nisaona!

‘Ty lozantsika, nandatsa ny madinika,
naneso ny fitiavana, sy ny hery izay lanjainy,
nanompa Andriamanitra, ka ny didy koa voadika.
Namono ny zanaka, nandatsaka ny ainy!
RRAG
10 Mey 2012
--------
Lien:
393 1
Fans: mirananirina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228