VAVAKA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA…
Ry Andriamanitry ny avo, any ilay Mahefako,
arovy tsy ho lavo, fa aleo ho ahy izay tsy efako.
Hozakaiko ihany, na dia ho ranomaso,
lahatry ny tendriko, fa tena tsy ankaso.
Ka raha ny hadisoako, aoka tsy hozakainy!
Raha ny tsy finoako, aoka tsy holanjainy!
Fa efa mafy loatra, aminy ny fiainana,
ka hany sisa, ianao no hitarainana.
Aoka re ny fony, tsy ho jamba ity malemy,
mety ho vesa-piainana, lanjainy an-tery.
Noho ny fijery, manaitra azy fotsiny,
fa tsy tena fiainana, irin’ny nofinofiny.
RRAG
01 Mey 2012
--------
Lien:
377 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242