VAVAKA MITADY VALINY... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA MITADY VALINY...
Miantso aho ry Tompo, mangina ny atim-poko,
misento an'alahelo,mijery ity taniko.
Mangataka aminao, izay anjara zoko,
ho hery hanafahako,hamafa ity tomaniko.

Ry Ray ao ambony, fa dia nahoana kosa,
ity fireneko, no mbola boka trosa?
Nefa ireo harenany, miondrana isan'andro,
aiza re ry Tompo, izay anjara masoandro?

Ny foko efa hontsa, misento ohatr'izany.
Ny gasy miahy mahantra, ny harenany miahy lany.
Nefa izay fandrosoana, toa nofy manahohaina.
Valio ny vavakay, tahio izahay, “Amen”!
RRAG
18 Febroary 2016
--------
Lien:
362 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024