VOVOKA SISA... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy entina hamoha fota-mandry tsy akory ity tononkalo ity fa ainga toy ny ainga rehetra nanidintsidina teny an'habaky ny nofy fotsiny ihany ny fahatsapana ny alahelon'ireo namoy anaka!

VOVOKA SISA...
Embon-tsy tana ry zanaka tiana,
no misoritra an'endrik'i Dada sy Neny!
Ianao 'lay tan-tratrany, mbola velon-kira,
no gina tsy satry tsy nahaloa-teny!

Ravan'ny setran-drafahafatesana,
ny nofin'ny hoavy nirin'i Dada...
Hiaka sy sento tsy nifandrenesana,
fa lavon'ny fasana ilay mbola nibada!
-
Ry lanitra ambony tsy hay famaritra,
miangatra loatra ny laha-boatendry!
Fa fo firifiry no mbola hiaritra,
vao tsy handavo intsony ny sori-tinendry?

Ny fanantenan'i Neny nanjavona,
lasan'ny rivotra ilay nampimalo!
Nahoana kosa ry lanitra, no dia miavona,
fa 'ngaha moa isika dia efa mpifahavalo?

Aiza ve 'zany dia 'lay bikany kanto,
no hihintsan-ko vovoka an-drangolahy?
Tsy ho tinazana intsony 'lay endri-nandranto,
nanavaka nofo tamin'ny singam-panahy!

Dia fasa-mangina no ho zary akaniny!
Ny kidoro nandriany niova ho vato!
Tsy ho re intsony ny hiakan-tomaniny,
satria, vovoka sisa no mitoetra ato
am-pasan'ny fo,
fa izy tsy hifoha!
RRAG
18 Mey 2021
--------
Lien:
231 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244