Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilay sary (SANDRATRA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay sarinao irery no hany mba fijery
ary koa mampahery
rehefa irery
Alahelo sy tomany
no mibahana ato an-tsaiko
tsy mankaiza anefa izany
fa efa nozakaiko
Dia ilay sary tokoa mantsy sisa
no entina mamisavisa
ilay fiarahan-tsika roa
e! fahatsiarovana sisa ireo taloha
any tokoa any,any lavitra
tsy eto akaiky mba ho fihinina
ka raha sendra mahatsiahy
dia ilay sary no banjinina
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
Ingahy
(
12/01/2006 18:24)
Tsara be ilay izy
Nanaitra ahy Ilay sary
Nanaitra ahy Ilay sary
