Ampidiro aloha ny tenimiafina
misy (Vanjanofy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy andro takariva mahalasalasa sainahatsiarovana ny lasa sy zay mbola hokasaina
mampisandratra ny hanina mampamongatra hafaliana
hanembonana ny fiainana tanilan'olon-tiana
Misy takariva miavaka mivolombolom-pararano
amin'ilay mamanton'alina maha irery an-tokatrano
mampametsovetso lalina misintona fisainana
hahatsapa ny hasambarana natolotry ny fiainana
Misy kosa anefa indrisy takariva kianjan-tsaona
mahatakona tanteraka 'lay andron-dohataona
misy ny ora tsy hahitana hafa tsy aloka mavany
andrenesana ny ngidin'ny fiainana eto an-tany!
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
