Voady (Pharaon)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny voady izay nataotsy voady amin'ny vava
fotsiny ihany fa mbola miaina ao
am-po sanatria ny ho rava
Voady tsy noterena
no nataontsika roa
voady volamena
ka voatahiry ao am-po
Voady marim-pototra
tsy ho ravan'ny taona mifanesy
fitiavana niaraha-nanolotra
dia izaho sy ianao no mpandresy
Voady teo anatrehan'Andriamanitra
teo imason'izao tontolo izao
handray ny tso-drano avy any andanitra
ity fitiavantsika vaovao
--------
Lien: