ianao (Vola)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IanaoToy ny vao omaly no nilazanao ahy
Fa ny tokako eto an-tany
Dia ianao ihany
Tsy nierina akory ny taona
Indro indray ianao nanambara
Fa tsy izaho intsony no hanoloana
Hanoy ny tohin tantara
Tsy hisy intsony ilay hoe « isika »
Ho foana ihany koa ny hoe « ianao »
Ireo zay mba naorintsika
No novahinao vaovao
Saingy tsy « izaho » hoy ianao
Ianao,anefa no hany fifaliako
Ianao ihany koa no hany finoako
Ianao,eny ianao
No nasahiako nilaza
Fa izaho dia mbola zaza
Foinao avokoa ireo dina mba natao
Navelanao teo koa,ilay foko tia anao
Tsy noheverinao izay nety ho ratrany
Tsy nohalalininao izay mety tsy ho zakany
Dia indro izy tomany,noho ilay « ianao »
Mitoreo,mivalo ,mitalaho
Manontany foana ny antony izao
Tsy mbola mety mino,fa manantena anao
tktnk!
--------
Lien:
Catégorie :
Mariazy - Hanina - Fitiavana - Fisarahana - Fiononana - Fanantenana - Fahantrana - embona - Alahelo