FITIA VILANY TAVY (Volatiana Rahaga)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahasarika anao hono ny rehetra momba ahy,
Voavakinao an-tsipiriany ny andian-teniteniko,
Tsy nihambatra ianao, lehilahy sahisahy,
Nahatsapa ny atilalin'ny rehetra mety afeniko.

Notetezinao izay mety ho fahalemeko,
Nombanao daholo ireo safidin-dalako,
Nankatoavinao izay marina nekeko,
Nekenao tsotra izao ny antsoiko hoe "malalako",

Andrinao aho rehefa iny tsy naharaka,
Nanaraka ny zotra izay miaka-midinao,
Tsy teo am-bavanao izany hoe misaraka,
Izaho mihitsy no nameno ny mety ho avinao.

Dia ianao mihitsy no tena lasa haza norembeziko,
Ny fahamatoranao namatotra ny hatanorako,
Nitondra ny filaminan'ny fanahy niveziveziko,
namakivaky niaraka amiko ny ranobe nitako.

Dia samy revo isika, safononoka, natavy,
Natao ho sanatria izany randram-bao,
Ay, vaky niparasaka, fitia vilany tavy,
Izaho mbola nankafy, ianao indray 'ty no lao!

VR.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1922 0
Commentaires
kelyb ( 27/10/2009 12:15)
ny lehilahy marina !
appolon ( 02/05/2013 18:06)
Bonsoir Mme Rahaga, ary misaotra sy mankatelina amin'ny tononkalo, mpanaraka ny soratrao hatreny foana ny tenako. Mirary soa
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146