Mpahary matihanina (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao nahita anao nandalo sy niserana
Nandravak'iny lalan'iny mitombam-panaperana
Nahoana no tsy hiontana ny ato anatiko rehetra
Fa ny hatsarana nentinbao satriko tsy hanam-petra!!

Ny bikanao indray mijery dia ny lafatr' aok'izany
Na tsy misy ny tanteraka azo indramina eto an-tany
Dia manambara ny hakanton'ny mpahary izay namorona
Tafaombina aminao ,reo kanto mitangorona!

Ny endrikao tsy misy fitaka raha jerena ety ivelany
tontolo feno fiadanana no sarin-kafatra avelany
angamba hatrany anatinao misy tara-pahazavana
misy fo feno tsetra mitahiry hafanana!

Ny tsiky izay natolotrao moa tsy tokana aman-tany
mitosaka eo imolotrao sy mitondra teny mamy
zato nifinao botsiaka noravahan'ny fandainga
ny fahatsoranao ambarany inoako fa tsy misy lainga

Ny tontolom-piainanao dia tontolo tonga lafatra
Misy hery sy fitiavana,hazavana miparasaka
satriko ho hita foana ,fa raha tsy hgita mahamanina
Isaorako ny Andriamanitrao,fa Mpahary matihanina

andriary
29/09/04
--------
Rohy:
822 2
Mpakafy: andriary - monina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 04/02/2005 13:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139