Madagasikara sy ny voariny (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madagasikara sy ny voariny

Maro ny firenena manana ny voariny
Fa i Gasikara Nosintsika tsy mena mitahy
Tsy ho resin'ny maro fa de manana ny lanjany
Ra resaka voary no ho jerena sy am-pitahaina

Manana ny voary maro izay mampiavaka azy
sy ireo vokatra voa-janahary toin'ny lavanila
Izay afaka mifaninana amin'ny firenena maro
Afaka mijoro atao fitaratry ny hafa ihany koa

Madagasikara ilay Nosy maitso tsy manavaka
Ankafizin'ny maro amin'ny fanany voary miavaka
Izay mandalo de miraikitra tohin'ny tsipolitr'antitra
Ka malahelo sy misento ra vao hariva ny andro

fa sambatra ra samy sambatra ony tsimbazaza
Fa manana voary moro tsara sy ny lazany
Fa sambatra ra samy firenena i Gasikara atsika
Fa afaka mamantsy vokatra azo avy amin'ny voariny

Ra misy tokony ho arovana tsy aleo ve miaro ny
Tontolo izay iainana
Ra misy firenena masahy milaza fa manan-karena vatosoa
De lazao izy fa i Gasikara ihany koa no tena manana ny soa

marsa-2024
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
192 2
Mpakafy: Hobinakely - Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145