Ampidiro aloha ny tenimiafina
ILAY (mlanto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY!!!Ilay endrikao sarika
Manasitrana ny feriko
Satria toy ny masoandro mibaliaka
Mampatanjaka ny heriko
Ilay fitsikinao kely
Mamelovelo ny ao am-po
Satria tiana bajinina tsy an-tery
Mba hiraikitra ao an-doha
Ilay fijerinao mangalatra
Mampite-hanatona izany
Toy ny jiro mitaratra
Misy pilina tsy lany
Ilay fiteninao toa tsotra
Mampagoratra ny ati-fo
Sady mampahery ny fitia izay miha-vosa
Izay efa saika ho lo..
Ilay fijerinao toa kanto
Maha babo tsotr’ izao
Sady mampitony no mampilanto
Ny fomba amam-panao
Ilay fiteninao toa tsotra
Mampangoraka ny ati-fo
Sady mampahery ny fitia izay miha-vosa
Izay efa saika ho lo…
mlanto R.M
--------
Rohy:
Mpakafy:
haraldtohaina
