Fangatahana (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omeo anay ry alina
Ny mahamaizina anao
Mba hangalainay nofy lalina
Ka hazoanay maraina vao

Omeo anay ry volana
Ny fahazavanao
Tampero hatreo reo olana
Miatsa amin'ity tsolovonao
Omeo anay ry kitana
Ny fahasoavanao
Fa ny fonay mbola tsy sitrana
Ka mba mitalao

Omeo anay ry rahona
Ireo loko maro
Fa hitanay mandrahona
Izato fahavalo
Omeo anay ry fiainana
Ireo tsiambaratelo
Mba hazoanay fanana
Tsy harain'olon'alahelo

Omeo anay ry fitiavana
Ny eny fa aza lavina
Ny fo tsy misy mandray ho havana
Raha tsy ianao no tiavina

Omeo anay ry tselatra
Ny fiavinao
Mba hazoanay manamboatra elatra
Hiarahanay aminao

Omeo anay ry fasana
Ny fangalanao
Amizay misy homanana
Izay mety lahatrao

Omeo anay ry Tompo
Ny lanitra
Mba hafahanay manompo
An'Andriamanitra

Omeo anay ry dada
Ny fitazainao
Mba hafahako mibadabada
Rehefa hiantso anao
Omeo anay ry neny
Ny anatra
Mba hazoko miteny
Indrindra rehefa mianatra




12mars 2010
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - fiainana - Fitiavana
1317 1
Mpakafy: sayyuk01
Hevitra mandeha
hery ( 08/06/2020 19:56)
Nosintomina tamin'ny tononkalon'ny Avana ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana-ramanantoanina/hataka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149