Tsiky feno hery amin'ny andron-dranomaso. (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsia,
tsy ekena ny herisetra
atobaky ny omaly hanafotra ny ho avy.
Tsia, satria raha tohina
ilay aina izay marefo
dia ho entiny hivarina
amin'ny tsy hay fantarina
ny kely niandrandrana ny azo andrandraina.

Anefa, firifiry moa
no nitondra ireo takaitra
tamin'ny kaikitry ny nenina?
minia miaina ny mafaitra
fa hoe mamy ny ho ela velona,
dia miandry ny ampitso
ho androm-pifaliany,
saingy ilay omaly izay ampitsony
toa feno mainty,
alin-dava feno ory.

Ny tena hafaliana angamba
no tsy maintsy hoe katsahina:
masoandro tsy miandry izay fotoana iposahany,
volana baliaka na tsy amin'ny fenomanana,
voninkazo kanto ivelan-dohataona
loharano mamy anaty karankaina,
safosafo mora anaty havinirana
tsiky feno hery amin'ny andron-dranomaso.

Dia izay ihany angamba
fa ny nofy mahafanina
mamizana ny saina
dia tsy inoana ho fanafody
hanampy mba hiaina.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257