ALEOKO TSY IZY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEOKO TSY IZY…
Raha ho tiana aho ka tapany,
na ho hatsasatsasany ihany,
dia aleoko tsy izy aho,
satria tsy tena tia ianao.

Raha ho tiana ka ny ampahany,
na ho potipotiny ihany,
dia aleoko tsy izy aho,
fa tsy tia ahy ianao.

Raha ny fitafy eny an-koditro,
na ny bangobango voloko,
no hitiavanao ahy,
dia aleoko tsy izy aho.

Raha ny vola, ny fananako,
ny firavaka eny an-tanako,
no hitiavanao ny tenako,
dia aleoko tsy izy aho.

Raha ny rotsy, ny hantahanta,
ilay natolotro fahiny, foiny isika mbola zaza,
no tena hitiavanao ny aiko,
dia aleo tsy izy aho, fa toa tsy ho haiko.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308