ANARANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANARANA…
Miangola toa sary,
tonta fa sariaka!
Miram-palifaly,
anaty hakantom-bika!

Midola dia mitsiky,
misioka arahin-kalo!
Tsy maniry ny tsy misy,
ka hanangam-pahavalo!

Manam-po mitepo,
mitia sy mankahala!
Misefo sy mivetso,
niarahana nahalala!
Tinazana ny toetrany,
fa fitia tsy nisy fetrany!

Antsa! Antsa! Antsa!
Tsy re! Toa tsy heno intsony!
Antsa! Antsa! Antsa!
Maty ve? Sa kosa resi-tory?
Anarana, nalevon’ny taona!
Antsa! Anara-nampisaona!
RRAG
04 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
431 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228