ANTSOJAY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSOJAY…
Nidodo mafy teo an-dohako, ny fikotroky ny varatra,
zavo-mainty iray matevina, no manarona ny taratra.
Tafio-drivotra mifofo, no manozingozina ahy,
dia mbola ho toa io ny ampitso, higafiana ahy tsy sahy!

Mafy fitoto toy ny varatra, ny latsalatsan’olon-tiana,
tsisy andro mba mitomaratra, azom-po mba hifaliana,
fa antsojay hila isan’andro, no mianjady amin’ny tena.
Efa tsy eo ilay masoandro, ka tsy hisy intsony fandresena!

Mifofofofo toy ny rivotra, ny tadion’ny faniriana,
ka nanataka nandrovitra, ilay boatim-pijaliana,
hiparitaka handràtra, ny atin-tenako rehetra.
Tsy raharahaiko intsony koa, izay fiavin’ny setra,
f’efa resiny tanteraka, efa rotidrotiny aho.
Tsy maintsy hizaka izay vesatra, ka hikobona talaho!

Ka na ho anio, na ho ampitso, eny na ho mandrakizay.
Na ràtram-po, na ferinaina, vokatry ny antsojay,
dia hanam-petra toy ny hafa, efa niladilady teo.
Na ela io, na koa ho faingana, hinoako foana fa ho leo!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
314 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024