ANY I ANTSA RY NENY MALALA FA AZA MITOMANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY I ANTSA RY NENY MALALA FA AZA MITOMANY…!
Raha nosembanan-drahona ny fiainantsika, dia tsy nofy avy ireny.
Tena tantara marina niainantsika, eny re ry Neny!
Tena lavon’ny lahatra, teo an-tsampanan-tsedra, ilay Antsakely,
Ankona tampoka, nirotsa-tomany, tsy nisy nahateny.

Fa maizina hoy ianao, ny androm-piainana, ilavitra aina.
Satria i Antsakely, lavon’ny fingana, dia tsy afa-niarina.
Zary toa sary, tsy hay ho tahiry, sisa ‘ty sombin’ny aina.
Nofy angamba, nefa toa tena izy, saingy tsy lala ny marina!

Fa misafotofoto, tsy miaiky ny hita, ny fo amam-panahy.
Te hitsapa ‘ty vatana, vata-mangatsiaka, nefa toa tsy sahy.
Fa sao nofy ihany, tsy tena tranga misy, ‘ty iainana anio.
Indrisy re ry Neny! Fa rivotra mandoza, nondesin’ny tadio.

Any i Antsa, ry Neny malala, fa aza mitomany.
Any izy indray, no ‘ndeha hanorina, akany vaovao.
Any i Antsa, ry Neny malala, any an-danitra any.
Any izy, inoako fa, tsy hanadino anao!
RRAG
10 Desambra 2014
--------
Rohy:
301 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225