ASA A? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASA A?
Teny an-dakilasy, ianao teny anoloana,
no nisafidy toerana, hitombenanao.
Ianao ilay tsy tara, tsy diso fotoana,
voasoritra ho fidirana hianaranao.

Indray andro anefa, izaho no tonga aloha,
nanaraka ahy avy eo, tonga koa ianao.
Asa tara angaha, tara vao nifoha,
fa toa hoe, tsy nisakafo ‘ngaha ianao?

Nanatona ahy mora, na dia tsy nahalala.
Dia ‘njay nangata-bola, ka avy nitantara.
Kay ianao tsy nifanaraka, tamin’i Papanao,
fa tiany ianao ny hisaraka, amin’ny olon-tianao.

Noraisiko ireto tananao, nofihiniko mafy!
Nambarako anao, fa ny fitia dia mandramaty.
Na misy aza sakantsakana, dia fanohitra izy ireny.
Omeo lanja avokoa, ireo teny izay nomeny!

Asio hasina, ireo toky maro vita!
Hajao koa, ireo dina maro an’isa,
nifanaovana fahiny, hifamatorana hatramin’izao.
Tsarovy ireny ankehitriny, fa noho ny fitiavany anao!
RRAG
24 Desambra 2012
--------
Rohy:
379 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0256