AVY AMINAO DAHOLO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVY AMINAO DAHOLO…
Tomefy adin-tsaina, tsy haiko famafana,
ny atin’ity foko, ry Raiko tsara indrindra!
Rera-mitaraina, mihibo-pahajambana,
ny tenako sy ny aiko, ka ialako tsiny indrindra!

Ny tananao ry Tompo, no tohana iandrasako,
sy tady hisintona ahy, tsy hianjera an-dava-dalina!
Ny vavaky ny mpino, no tosiky ny kasako,
sy mpiambina ny efitro, isaky ny alina!

Raha ny herim-batako, moa hahavita inona,
eo anoloan’ny sedra, tsy takotro takarina?
Ny saiko sy ny foko aza, ity mbola tsy vonona,
ka moa sahy hilaza, fa manana ny marina a?

Izay dianao no tiako, diavin’ity tongotro!
Izay teninao no iriko, ho ren’ireto sofiko!
Ny anaranao ry Ray ô! No tiako tsy hiala am-bavako!
Ny lalanao mihitsy, no iriko mba ho lalako!

Fa hery toa inona, no afaka hitondra,
‘ty saiko mbola revo, an-kianjam-pahaverezana?
Fery toa akory, no fetra faran’ny onja,
ahafahana mitraka, tsy ho ho resim-panenenana?

Moa tsy izay anao oh? Ilay tsy hay faritana,
nefa tena ‘ngeza, tsy sarotra takarina!
Tompo ô! Avy aminao daholo ny hery, ny vintana
sy ny anjara ary koa ny lahatra, fa tsy amboarimboarina!
RRAG
22 Martsa 2021
--------
Rohy:
373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222