DOMOINA... (RRAG)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DOMOINA...Zatra nisidina tan-tratran-dReny,
ka tsofin'ny rivotra vao mikopak'elatra!
Mateti-mangina ka mihindra-mpiteny,
an-tsakeliky ny hafa vao afa-mivelatra!
Tamana mitamby sy mihanta amin-Dada,
ka rehefa miroso dia mitady azy!
Mihevitra foana ho zaza mibada,
ka ny herin'ny hafa no sandry enti-miady!
Sikino ny hery ry zana-domoina
fa tsy i Dada sy i Neny no hiatrika ny ady!
Ampitomboy dia eo tano mafy ny foto-pinoana,
satria izay ihany no fanohitry ny hoavy!
-
Ovao ny fahazarana miankin-doha,
mivonona hitraka rehefa mianjera!
Tsy atao fitoeran-tsatroka fotsiny ny loha,
fa entin-kiasa mba ho fandresena...
Sahia ho Domoina fianteheran'ny bitika,
mpiazona azy ireo rehefa hiampita!
Henoy ilay fanahy tsy sasa-mibitsika,
mahalala sy mahita ny hatramin'ny tsy hita!
Ho Domoinan'i Aina ka hitandro izany,
hametraka ambony ny hasin'ny tena...
Hahay haka lesona amin'ny lasa ho an'ny ho avy,
ka ho Domoina tsikim-pandresena!
RRAG
28 Mey 2021
--------
Rohy: