EFA NOMEKO ANAO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA NOMEKO ANAO…!
Izay teny an-tanako, ny hany mba fananako,
efa nomeko anao, nomeko anao daholo,
izay avy any am-poko, hatramin’ny kely hafoiko,
hatolotro ho anao, ho anao manontolo.

Efa nomeko anao, eny na tsy ahy,
efa nomeko anao, ny atin’ny fanahy,
saingy mbola lefona, mandràtra ny aty foko,
no natorakao, hitondra ity toloko.

Efa nomeko anao, ny lanitra tsy takatro,
efa nomeko anao, ny anjara habakabako,
ny taratra masoandro, izay mpanazava ny efitro,
efa nomeko anao, hatramin’ny eritreritro.

Kinanjo fitapitaka, fingana sy lainga,
no natakalonao, ny foko tena tia,
fo miendri-bato, mbola saronam-bainga,
no natolotrao, ho solon’ny fitia.

Efa nomeko anao, na ny tsy taka-maso,
efa nafoiko ireny, na nizakako ankaso,
indrisy anefa fa, nodoroanao ny foko,
nohitsahinao, ny hany fara-zoko.

Dia ‘lay hitia anao, hitia tsy misy fetra,
saingy dia nasetrinao, sandry sy herisetra,
nefa anie ka, efa nomeko anao,
ho anao irery, izao tontolo izao.
RRAG
17 Aogositra 2018
--------
Rohy:
719 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225