ENY IANAO… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY IANAO… (SAFIDY: 2012)
Eny ianao mitazana, manarangarana fijery,
‘ty fo iray mitavana, fitiavana efa very,
mamisavisa lalina, ka misento sy mitsetra!
Injay mandalindalina, ‘lay fery tsy voafetra.

Eny ianao mitsiaro, mangina miandry sy vetso,
irony fo ‘zay mahatsiaro, dia mievona misento.
Mivavabavaka eny foana, sy mangata-pitahiana,
ny hitonian’ny fo misaona, ‘lay nilaozan’olon-tiana.

Eny ianao miandry, manantena mpampiampita,
dia teo no tafandry, tavela tsy tafita.
Nefa tsy afa-mitsambikina, tsy afa-milomano akory,
fa raha izaho ianao mijanona, mijanona eo matory.

Eny ianao mihevitra, fa hiverina izy hifona,
nefa ny fo ‘zay tezitezitra, mety ho isan’ny hafoina.
Eny ianao mbola, mitomany hatramin’izao!
Eny, eny ianao!
RRAG
26 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
340 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221