ESEY E…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ESEY E…!
Noheverinao hoe hampivonto ny oroko,
ianao mijadona mahita ahy!
Mifamihina mafy amin’ity hoe mba soloko,
ny mijery aza anefa toa tsy mba sahy!

Mangarika ery toa tsy te hahatazana,
Manifi-doha rehefa hita!
Mangala-pijery dia ‘njao mitinazana!
Fa ‘ngaha moa tsy hoe efa vita?

Esey e! Manaiky molotra fa te hiverina!
Ny lasa ihany no tiana hiverenana!
Mihazon-doha fa te hifamerina!
Dia injay fa kakerin-dRafanenenana!

Esey e! Iza no voa?
Izaho sa ianao ilay nitsipa-pitia?
Tsapako tokoa kay fa tsy mahasoa!
Raha ny fiarahantsika sy indrỳ!
RRAG
27 Janoary 2021
--------
Rohy:
229 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232