FALY IZANY IANAO O...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FALY IZANY IANAO O...!
Nazeranao ry vintana, ‘ty foko mbola tia,
nifotetaka aho, nihosim-pota-maimbo,
ny hilavo lefona, kosa sanatria,
f’izaho koa anie, mbola manan-kambo!

Noràtrainao, ny foko ilay mahantra,
mahantra fitiavana, tia fa toa tsy tiana,
saingy ianao fatorako, no tsy mba niantra,
dia mendrika ahy ve ‘zany, ‘ty zogam-pijaliana?

Ka faly izany ianao, fa hoe naràtra aho,
potika ny fiainako, rendrika aho anio,
sambatra ve ianao, raha toa nianjera aho?
Mbola hiarina aho, izay no tadidio!

Ny anio anao, ry vintana mpamingana,
ny ampitso ahy, sy ny fitiavam-poko,
reseko ianao, raha mihevitra ny hisingana,
satria efa ela, no lavitra ahy ny toloko!

Dia mifalia ianao, tsy ahoako akory,
modiako tsy ho henoina, ny hikahikanao,
raha ny hiaraka aminao, toa tsy ahitako tory,
ka veloma ianao ry vintan-dratsiko, izaho tsy hitana anao!
RRAG
17 Aogositra 2017
--------
Rohy:
752 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218