FERINAINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FERINAINA…
Voatsindrona ny aiko,
raha vao niteny ianao.
Naloto hatramin’ny saiko,
raha vao nilaozanao.
Tiako loatra ianao,
saingy indrisy fa namela,
ferinaina mitatao,
zary rakitry ny ela.

Voafitaka ny foko,
raha vao nandà ianao.
Foana hatramin’ny finoako,
ny amin’izay hiverenanao.
Tiako loatra ianao,
nefa saingy toa tsy haiko,
fa ‘lay ferinaina nentinao,
dia nanamafy ny adin-tsaiko.

Voasoketa teo imaso,
ny fitiavana lanjaiko.
Voaravan-tsedra niary ankaso,
ireo dina nolalaiko.
Na dia tiako aza ianao,
dia tsy afaka aho hanohitra,
ireo ferinaina izay nafafinao.
Toa fery efa tafahoatra!
RRAG
25 Desambra 2012
--------
Rohy:
410 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218