FITIA KILALAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA KILALAO…
Fonja iray voafefin’ny rindrin’efa-po, ny fitia mitsiry anaty.
Tady, famatotry ny ratsy sy ny soa, ny fo ‘ray miantsampy.
Irika fanala, henatry ny tena, ny mandà fitia.
Any ka izay rehetra rehetra omena, dia asiana sanatria.

Kapoka mianjera, amin’ny sombin’ny aina, ny kilalao fitia.
Ivom-paharendrehan’ny soa ‘ray nantenaina, ‘lay sekoseko sy,
‘lay fanariana dia, amin’olona tsy tiana, tsy mba nirin’ny fo.
Aiza ho aiza anefa, ny tody sy ny tsiny, raha hovesaram-po?
Lesona hany tsara, ny miala ilavidavitra, ny fitia kilalao.
Azo atao tsara, ny mihatakataka, ny zava-tsy fanao,
olana foana mantsy, ny vokatra otazan’ny fo ‘ray milalao.
RRAG
24 Febroary 2005
--------
Rohy:
327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0286